CDPHM Mahajanga : nahazo sambo hanatsarana ny asa

  • 29 novembre 2023

Niampy iray ny fitaovana fanangonam-bokatra amin’ireo Faritra saro-dalana . Sambo iray (BEKAPILA) mirefy 12m ny halavany ary manana milina 400 CH, ahitana “chambre froide” izay mahazaka vokatra dimy taonina no nanampiana ireo fitaovana entina hakana ireo vokatra any amin’ny faritra saro-dalana ho an’ny CDPHM Mahajanga .

Androany 28 novambra no nanaovana ny “mise a l’eau” sy ny andrana ara-teknika izay niarahan’ny minisitry ny Jono Mahatante Paubert sy ireo teknisianina ary ireo tompon’andraikitra voakasika nanao ny andrana nanatanteraka teny an-toerana. Marihina fa rehefa vita tsara ny andrana sy ny pitsopitsony rehetra dia afaka miasa avy hatrany ny sambo.

Nanao ny fanamboarana ity sambo ity ny teo anivon’ny orinasa Polyma raha toa ka ny CDPHM no hitatantana azy ary eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga hatrany. Heverina fa zava-dehibe ny fananana azy ity , hanatsara ny asa rehetra eo anivon’ny CDPHM , fa indrindra hampiakatra ny lafiny ara-toekarena ao an-toerana.

Partagez :
Mahandry