“Caravane médicale des 119 districts » : fitsaboana ara-kalitao sy maimaimpoana ho an’ny malagasy manerana ny nosy

  • 2 juin 2023

Niainga androany 2 jona teo amin’ny kianjan’ny Barea ny “caravane médicale des 119 districts ». Mitondra teny filamatra « sarobidy ny aiko » ny hetsika. Fiaraha-miasan’ny Association Fitia sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitera misahana ny Mponina ary ny minisiteran’ny Filaminanana anatiny sy ireo mpiara-miombon’antoka maro ny fanatontosana ity andiany manaraka ity.

Tanjona ny hanome fitsaboana ara-kalitao sy maimaimpoana ho an’ireo distrika 119; manatona sy manakaiky vahoaka, ho fitsimbinana ny fahasalaman’izy ireo. Tamin’ny taona 2019 no nanomboka ny « caravane médicale ». Fiara iray ihany no niasa tamin’izany. Ankehitriny, fiara miisa 14 no entina mitety an’i Madagasikara hisitrahan’ny vahaoka fitsaboana maimaimpoana. Iraka tsy maintsy tanterahina arahina fahombiazana ny fanamaivanana ny fitsaboana ny vahoaka ankehitriny hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely Arivelo.

Tsapa fa mbola maro ny Malagasy tsy misitraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ary mbola betsaka ny ezaka tokony hatao. Araka ny antontan’isa nozarainy, 13 ny hopitaly efa niorina ary 15 ny hopitaly an-dalam-panorenana. Anisan’ny nanavotra ain’olona maro ny hopitaly izay natsangana nandritra ny covid-19.

Antony iray nanaovana ny « caravane médicale » ny fahamaroan’ny olona mbola tsy mahazo fitsaboana. Raha ny teto Analamanga fotsiny dia olona 48.188 no efa nisitraka fitsaboana tamin’ny « caravane sarobidy ny aiko », tao anatin’izany ny “opération sourire”, fitiliana, fanaovana radio sy fijerena ny homamiadana.

 

Partagez :
mialy