Caravane Avotse II: olona 355 no nisitraka azy

  • 29 septembre 2021

Olona miisa 355 monina ao Ampengoke sy Angarangotaky, kaominina Anjapaly, distrika Tsihombe faritra Atsimo no nisitraka ny ” Caravane Avotse” andiany faharoa omaly 28 septambra  avy amin’ny fikambanana “Association Fitia” tarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina.

Fizaham-pahasalamana maimaim-poana no nomen’ny fikambanana azy ireo. Nahitana fanalàna nify, fisafoana ny reny mitondra vohoka, vakisiny ho an’ny zaza, odikankana, fijerena sy fanomezana fanafody ho an’ny lehibe amin’ny karazan’aretina maro, fitiliana tazomoka, fanomezana ody siloka ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona. Hitohy amin’ny fokontany maro ao amin’ny faritra Anosy sy Androy ny hetsika.

Miisa 449 ny olona nisitraka fanalàna nify maimaimpoana, 119 ny ankizy natao vakisiny, 788 ny ankizy no noesorina bibikely azo avy amin’ny biby toy ny kongona sy hao ary 548 no nomena vitamina. Ankoatran’ny tolotra aram-pahasalamana, trano fianarana 4 no natsangan’ny fikambanana tao Behodatse, Ankibay, Ankazombalala ary Marosy. Ankizy mpianatra miisa 8.681 amina fianarana 20 koa no nisitraka fiahiana ara-tsakafo ka sakafo 1.932.880 no natolotra azy ireo.

Natao izao hanampiana ny mponina any Atsimo izay ianjadian’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Nanampy ny fikambanam-behivavy ao an-toerana koa ny “Association Fitia” ary efa nahatratra 1028 ny mpisitraka ny ” Caravane Avotse” andiany voalohany tamin’ny volana janoary 2021.

Partagez :
Mahandry