« Camps pénaux » : vaha olana maharitra hiantoka ny sakafon’ny voafonja

  • 26 janvier 2023
Maherin’ny 50%n’ny teti-bola natokana ho an’ny fitantanana ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny fonja eto Madagasikara dia lany amin’ny sakafon’ny voafonja avokoa. Voanfonja iray mandany eo amin’ny 5 000 ariary isanandro raha 29 120 no fitambaran’izy ireo manerana ny Nosy, hoy ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fitsarana, Raby Savatsarah
Isany vaha olana hamahana sy hahatongavana amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny fonja ny tetikasa “Camps pénaux” miisa 137. Mahatratra 20ha isaky ny fonja no hanaovana fambolena mandritra izany tetikasa izany.
Ankoatra izany, fonja vaovao miisa 9 no hatsangana mba hanatsarana ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara sy hialana amin’ny fihoaran’ny isan’ny foafonja be loatra, sy hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena.
Partagez :
Mahandry