Boky “Ny Fiandohan’ny Malagasy” : natolotra ny Tranombokim-pirenena

  • 21 octobre 2021
Boky « Ny Fiandohan’ny Malagasy » : fanangonana ny petra-kevitra maro efa misy mba ho azo vakina miaraka no antom-pisiany
Taorian’ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky « Ny Fiandohan’ny Malagasy » notarihin’ny Filohampirenena, tao an-drenivohitry ny faritra Vatovavy, ny 8 oktobra teo dia nosantarin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny alalan’ny fanolorana azy ho an’ny mpikaroka sy manam-pahaizana niara-nifarimbona ary ireo nanolotra tahirin-kevitra, ny fanapariahana ity boky ity, androany, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Tsy namorona petra-kevitra na voka-pikarohana vaovao akory ny minisitera fa nanangona ny hevitra maro lafy efa misy ary namondrona sy nandravona izany anaty tahirin-kevitra iray mba ho azo vakina miaraka, ahafahana manatevina ny fahalalana momba ny tantaran’ny Malagasy. Voaporofo sy nohamafisina tao anatin’izany fa « tsy fiaviana tokana no niandohan’ny Malagasy fa sokajin’olona samihafa izay maneho ny fifangaroana ».
Noraketina anatina boky iray 130 pejy, nosoratana amin’ny teny malagasy manontolo, natao ho azon’ny daholobe ny angon-kevitra rehetra hita, rehefa avy nandalo fandalinana sy dingana maro samihafa. Ankoatra ny fanolorana ireo hevitra samihafa dia hita anatin’ny boky koa ny sary sy kisary maneho ny taozavatra na fitaovana, ny fomba, ny fiteny sy ny fakan-teny na razam-ben-teny mety ho niaviany sy ny singa na akora maro samihafa, izay ahafahana milaza ny fiandohan’ny Malagasy. Nanokanana pejy am-polony koa ny fitanisana ny tahirin-kevitra nampiasaina, ilazana amin’ny mpamaky fa makadiry ny asa natao tamin’ny famolavolana ny boky , sady trolalana ho an’izay maniry hanitatra fikarohana koa.
Tao anatin’ny 2 taona mahery no namolavolana ny boky. Anisan’ny dingana nolalovana tamin’izany ny fiantsoana izay manan-kambara rehetra momba ny fiandohan’ny Malagasy, ny fanatonana mpikaroka sy manam-pahaizana samihafa, toy ny mpahay tantara, mpahay tsikera teny sy fiteny, mpiandraikitra tahirin-soratra, mpahay olona sy fiarahamonina, mpahay foko ara-pirazanana; notohizana tamin’ny fanangonana tahirin-kevitra an-jatony; narahana dinika asa sy fampianarana vao niroso tamin’ny fanoratana.
Ny ekipan’ny fiadidian-draharaha misahana ny maha izy ara-kolontsaina, eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nandrindra ny asa, notarihin’ny ny taleny, Dr Rakotomavo Tsikimilamina.
Lova mipetraka ho an’ny taranaka izao ezaka vita izao, hoy ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Anisan’ny kendrena hanovo fahalalana amin’ity boky ity ny mpianatra sy ny mpikaroka isan-tokony. Hisy ny fiaraha-miasa hatao amin’ny fanapariahana azy mba hahafahan’ny mpianatra misitraka izany.
Vinan’ny minisitera koa, hoy Lalatiana Andriatongarivo, ny hanangana mozea momba ny fiandohan’ny malagas “musée sur les origines des malgaches”, izay hapetraka ao amin’ny tanàna vaovao Tana-masoandro.
Hisy ny fandaharana ampahafantarana ny antsipirian’ity boky ity amin’ny Radio RNM ny Alarobia 27 oktobra izao, amin’ny 8 ora alina, sy amin’ny TVM ny alahady 31 oktobra amin’ny 8 ora alina.
Partagez :
Mahandry