Boeny: nanamarika ny « Octobre rose »

  • 26 octobre 2023

Tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no nametrahan’ny fitondram-panjakana ny volana oktobra ho volana hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza mpahazo ny vehivavy.  Nanatanteraka fitiliana maimaim-poana ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Boeny ny 25 oktobra sy 26 oktobra 2023, izay niarahany tamin’ny Fondation Akbaraly sy ny Fondation VIM, mba ho fanamarihana izany ka lanonana tsotsotra no nanokafana azy.

Nandritr’izany, nisy ny fifandimbiasan’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Talé misolo tena ny PDS ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahajanga , ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka, ary ny tompon’andraikitry ny ONG Douleur sans Frontière izay manome tohana ara-tsaina ireo vehivavy tratran’ny homamidana mba tsy ho ketraka ara-tsaina. Tonga nifanotrona izany tany an-toerana ny solontenan’ny Talem-paritry ny Mponina , ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy Boeny sy ny délégué.

Partagez :
Mahandry