Betsinjaka Toliara : Notokanana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha  amin’ny herin’ny masoandro

  • 19 août 2023

Notokanana androany 19 Aogositra ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha  amin’ny herin’ny masoandro na ny « centrale solaire » tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betsinjaka Andranomena. Manana tanjaka 2,9 MWc ity tobim-pamokarana ity, 6 000 MWh isan-taona ny herinaratra vokariny, ary 88 kosa ireo « onduleurs » ampiasainy. Maherin’ny 60 000 m2 ny refin’ny toerana misy azy, ary ankoatr’izay dia entona ratsy milanja 0,778 taonina isaky ny MWh no voahiliny tsy hiparitaka anaty natiora.

50% ny vokatra dia hanampiana ny JIRAMA, 7 Miliara 700 tapitrisa Ariary isan-taona ny fitsitsiana vita amin’ny tsy fividianana solika mavesatra noho ity tobim-pamokarana ity.  Izy no faharoa ngeza indrindra aty Afrika.  Tokatrano 6 324 no misitraka herinaratra voalohany amin’izany, raha 19 000 ny mpanjifa any an-toerana.

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny orin’asa  ENELEC sy ny LIDERA GREEN POWER no nanatsanganana izao fotodrafitrasa izao. Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay Christian, ary ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Général de Division RAKOTOARIJAONA Josoa , no nitokana izany, notronon’ireo manam-boninahitra maro.

Partagez :
Carinah Mamilalaina