Betsiboka: fitaovam-panjonoana tsy ara-dalàna maromaro tratra.

  • 30 septembre 2021

Mirongatra ny fanjonoana sy fivarotana trondro madinika ao amin’ny faritra  Betsiboka amin’izao fotoana  izao. Nahatratrarana harato kaoka vita amin’ny lay miisa 4, harato mandry kely maso miisa 11 ary harato atsipy kely maso miisa 3 ity faritra ity. Samy fitaovam-panjonoana tsy ara-dalàna ireo, hita nandritra ny fisavana nataon’ny ministeran’ny Jono sy Toekarena manga, tamin’ny alalan’ny Sampan-draharaham-paritry ny Jono Betsiboka sy ny polisin-drano ao anaty fikambanan’ny mpanjono sy ireo VOI (Vondron’Olona ifotony), ny 20  ka hatramin’ny 27 septambra teo.

Efa  nogiazana eny anivon’ny  SRPA Maevatanàna ireo fitaovana tsy ara-dalàna ireo, ary miandry ny tohin’ny raharaha ny foibe fanaraha-maso ny jono.

Partagez :
Mahandry