Besakana: Lapa tranainy indrindra eny amin’ny Rovan’i Madagasikara

  • 18 juin 2023

Ny Lapan’i Besakana no lapan’ny mpanjaka tranainy indrindra ao amin’ny Rovan’Antananarivo, izay antsoina hoe Rovan’i Madagasikara ankehitriny. Ny mpanjaka Andrianjaka no nanorina azy ny taona 1610. Eo atsimon’ny Lapan’i Manjakamiadana, avaratry ny fiangonana Tranovato Anatirova no misy azy.

Tranokotona vita amin’ny hazo manontolo izy ity hatramin’ny nanorenana azy. Ny sakany somary lavalava mitaha amin’ny endriky ny trano hafa no anisan’ny nahatonga azy nantsoina hoe Besakana.

Anisan’ny Lapa tian’ny mpanjaka lehibe teto Antananarivo izy ity. Tao koa no najanona nandritra ny herinandro ny vata-mangatsiakan’ny mpanjaka niamboho ho fanomezam-boninahitra ny “Masina”.

Nisy ny Lapa Besakana voalohany izay naorin’Andrianjaka, ilay nametraka ny fanjakan’Antananarivo. Nisy koa ny naorin’Andriamasinavalona ny taona 1680; ary ny farany naorin’Andrianampoinimerina ny taona 1800.

Anisan’ny Lapa may tamin’ny fandoroana ny Rova ny 6 novambra 1995 i Besakana. Izao ankehitriny izao izy vao voarina tanteraka. Ny fianakaviana Rajoelina Andry, filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara no nandray an-tanana ny fanamboarana azy namerenana ny endriny. Misokatra ho an’ny rehetra ny fitsitsihana ity Lapa ity amin’izao fisokafan’ny Rova manomboka ny 18 jona 2023 izao.

Partagez :
Romuald