BEPC : hivaly ao anatin’ny tapa-bolana

  • 3 juillet 2023

Heverina hivaly  afaka tapabolana  ny fanadinana BEPC. Mety  misy ny mivoaka mialoha izay hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle androany 3 jolay.

Miankina amin’ny isan’ny mpiadina isaky ny ivon-toeram-panadinana ny faharetan’izany. Anjaran’ny ivon-toeram-pitsarana tsirairay kosa ny mandamina ny fotoana hanombohan’ny fitsarana.

Nanomboka androany3 jolay, ary haharitra 4 andro ny fanadinana BEPC. Nanokatra ny laza adina tao amin’ny CEG Ampefiloha, fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.

Mahatratra 305 836 ny zaza, tanora miatrika ity fanadinam-panjakana BEPC, manerana ny Nosy. Mpiadina miisa 149 956 no nisafidy ny sokajy A, raha toa ka mpiadina miisa 155880 no nisafidy ny sokajy B. Teratany vahiny ny 4 amin’ireo mpiadina ireo. Miisa 47 no manana tsy fahatomombanana ara-batana.
Mitsinjara amina ivon-toeram-panadinana miisa 9054 ny mpiadiina.
Partagez :
Sissie Raveloson