Barea/RDC: mpilalao 24 no nantsoin’i Eric Rabesandratana

  • 29 septembre 2021

Voatazona hanazatra ny Barea an’i Madagasikara i Eric Rabesandratana, hoy ny FMF nandritra ny famoahany ny lisitry ny mpilalao 24 mirahalahy voantso hiatrika ny lalao fifanintsanan’ny Mondiale Qatar 2022 andro faha-3 sy faha-4, androany 29 septambra, tamin’ny 5 ora sy sasany tetsy Isoraka.

Misy ny mpilalao vaovao, misy ny efa tao amin’ny Barea ka naverina nantsoina amin’ireto hiatrika ny fihaonana in-droa miantoana amin’ny Léopard ny 7 oktobra (any RD Congo) sy 10 oktobra (eto Madagasikara).

Mpilalao vaovao nantsoin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana i  Sacha Vandersteen , vody laharana milalao ao amin’ny club William Carrey any Etazonia.

Anisan’ny tsy voantso kosa i Jérome Mombris, Thomas Fontaine,Sylvio Ouasseiro, Zotsara Andriambololona, Andriamirado Arohasina (Dax), Alexandre Ramalingom, Dimitri Caloin ary El Hadary. Nambaran’ny mpanazatra fa tsy nahafa-po azy ny endri-dalao nasehon’ireo mpilalao tsy voantso intsony.

 

Partagez :
Mahandry