BAREA : handray anjara amin’ny fitokanana ny kianja ny mpilalao

  • 3 septembre 2021

Nambaran’ny mpanazatra Eric Rabesandratana, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly fa rahampitso sabotsy 4 septambra aorian’ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny kianjan’i Barea Mahamasina no hanainga ho any Tanzanie ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny andro faharoa amin’ny fifanintsanan’ny Mondial 2022, ihaonana amin’ny tanzanianina, ny talata 7 septambra izao.

Nisy fiovana, araka izany, ny filazan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra tamin’ny andro namoahana ny listry ny mpilalao voantso handrafitra ny barea, hoe hisidina avy hatrany ny delegasionina, vantany vao vita ny lalao eto Madagasikara; izay natao mba hisorohana ny mety ho tranga tsy ampoizina amin’ny fahatongavan’ny ny mpilalao any an-toerana. Nohamafisin’ny ny Mpanazatra fa miova izany fandaharam-potoana izany.

Rariny raha handray anjara amin’ ny fitokanana ny kianja Barea Mahamasina ny mpilalao, hoy Eric Rabesandratana. “Tsy politika, na ny fanatanjahantena fotsiny fa tena mahakasika ny Barea mihitsy ity kianja ity sy ny fitokanana azy.

Tokony tsy hisy fiantraikany amin’ny tanjaky ny ekipa ny fandraisana anjara amin’ny fitokanana ity kianja ity, hoy hatrany ny mpanazatra. Afaka maka aina tsara ny mpilalao androany, hoy ny tekinisianina, ary afaka manao fanazaran-tena hatrany, mandrapahatonga ny lalao amin’ny talata.

Notsipihin’ny mpanazatra koa fa tsy manelingelina ny mpilalao ny hetsika hafa ankoatra ny fanatanjahantena.  “Ny fandehanana tao amin’ny Lapan’Iavoloha iray andro mialoha ny fihaonana tamin’i Benin, ohatra, dia tsy naharitra ela; ary tafiditra amin’ny fombafomba fiaina maha afrikanina antsika ny toe-javatra tahaka ireny. Na izany aza, efa miezaka ary hanatsara hatrany ny fifehezana ny fotoana sy ny fahaiza-miaina ny zava-misy ny ekipa”.

Mila miady i Madagasikara amin’io lalao ifanandrinana amin’i Tanzanie io satria efa mitazona ny rambony ao anatin’ny vondrona J amin’ny isa aotra, taorian’iny faharesena 1 noho 0 iny. I Tanzanie sy RD Congo dia samy efa manana isa 1 avy taorian’ny ady sahala 1 sy 1. I Benin kosa efa manana isa 3. Ekipa iray, laharana voalohany isaky ny vondrona ihany anefa no afaka hiatrika ny lalao sakana, hifantenana ireo solotena dimin’i Afrika amin’ny Mondial 2022.

Partagez :
Mahandry