BAREA: fantatra ireo 30 mirahalahy voaantso, mpilalao eto an-toerana ny 5

  • 24 août 2021

Ho tafavory eto an-tanindrazana ny 30 Aogositra ho avy izao, izany hoe roa andro mialoha ny fihaonana amin’ny ekipam-pirenen’i Benin, etsy amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina, ireo mpilalao malagasy 30 mirahalahy voantso handrafitra ny ekipan’ny Barea. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fiatrehana ny lalao fifanintsanana ho amin’ny Tompon-daka maneran-tany taranja baolina kitra amin’ny taona 2022 (Coupe du Monde 2022) hatao any Qatar.

Toy izao ny firafitry ny lisitry ny Barea :

MPIANDRY TSATOKAZO: ADRIEN Melvin (Louhans-Cuiseaux FC/France), RANDRIAMAMY Mathyas Todisoa François (PSG/France), RAKOTOASIMBOLA Zakanirina (AS ADEMA/Madagascar).

VODY LAHARANA : MOMBRIS Jerome (EA GUINGAMP/France), MOREL Jeremy Michel (FC LORIENT/France), OUASSIERO Jean Sylvio François (FC FOLA ESCH/Luxembourg), RAZAKANANTENAINA Pascal (ST PIERROISE : La Réunion), LAPOUSSIN Loïc Andre Terry (ST GILLOISE/Belgique), FONTAINE Thomas (FC LORIENT/France), METANIRE Romain (MINNESOTA/USA), RANDRIANARISOA Mamy Gervais (LA TAMPONNAISE/La Réunion), CALOIN Dimitry (ANGOULEME CHERENTE FC/La Réunion).

IRAKIRAKA : RAKOTOHARIMALALA NJIVA Tsilavina Martin (SUPHANBURI FC/Thaïlande), VOAVY Paulin, ANDRIANANTENAINA Anicet, RAVELOSON Rayan Ny Aina Arnaldo (LA GALAXY/USA), ANDRIAMAHITSINORO Charles Carolus (AL QADISIYAH/Arabie Saoudite), AMADA Ibrahim Samuel (AL MARKHIYA/QATAR), ILAIMAHARITRA Marco (SC CHARLEROI/Belgique), RANDRIAMBOLOLONA Zotsara (FC FLEURY/France), MANAMPISOA Lalaina Jacquot (CS SFC/Madagascar), HERY Bastien Charles Patrick (Derry City FC / Irlande), RANDRIANTSIFERANA Toky Nantenaina (AJESAIA/Madagascar), RAMANAMAHEFA Falihery Ferdinand (Dafe) (FC VOLTIGERS CHATEAUBRIANT/ France), ANDRIANARIMANANA Andriamirado Aro Hasina (ST PIERROISE/La Réunion), RAZAFINDRASATA Tsito Miravo Nasandratra (CFFA/ Madagascar).

MPANAFIKA : ABDALLAH Hakim Daniel (LIERSE SK/ Belgique), RAMALINGOM Alexandre Francois (SEDAN/France), RAKOTONDRAIBE Tafitatiana Angio Fabrice (ST DENIS FC/La Réunion), RAHERINIAINA Ahmad El Hadary Ylan Clovis (AJEESAIA/Madagascar).

Dimy amin’ireo voantso no milalao amin’ny klioba eto Madagasikara. “Efa misy fandaharam-potoana maty paika hanatsarana ny fanomanan-tena sy hanalana ny mety ho havizanan’ireo avy lavitra” hoy ny Mpanazatra Éric Rabesandratana. Efa misy fanoman-tena manokana koa ho an’ny  mpilalao eto an-toerana sy ny mpilalao sasany tsy manana klioba, toa an’i Anicet sy Paulin. Ny 3 Septambra 2021 no hiainga avy hatrany ny delegasiona Malagasy hihazo an’i Dar es Salam, hiatrika ny fihaonana amin’ny ekipam-pirenen’i Tanzanie, izay hotanterahina ny 7 septambra ho avy izao.

Partagez :
Mahandry