Barea : efa any Tanzanie, hiatrika ny lalao amin’ny talata.

  • 5 septembre 2021

Efa tonga ao Dar-Es-Salalm, Tanzanie ny Barean’i Madagasikara. Mipetraka ao amin’ny Serena Hôtel izy ireo, hoy ny fampahafantarana nataon’ny ministeran’ny Fanatanjahantena.

Nandalo fitiliana Coronavirus avy hatrany ireo mpilalao 28  mirahalahy sy ny mpanazatra miaraka amin’ny ekipa tekinika rehetra, vantany vao tonga tany an-toerana.

Afaka roa andro, izany hoe ny talata faha 7 septambra 2021 ny fihaonan’ny Barea amin’ny Taifas Stars an’i Tanzanie. Lalao hatao amin’ny 1 ora (13h GMT) izany hoe amin’ny 4 ora toalakandro eto Madagasikara.

Tafiditra ao anatin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana ho an’ny Mondial 2022 izy ity. Fihaonana andrasan’ny malagasy, ijerena ny fanarenana ataon’ny ekipam-pirenena, taorian’ny faharesena 1  noho 0 tamin’ny andro voalohany nanoloana n’i Bénin tetsy Mahamasina. Mbola misy lalao 5  hatrehin’i Madagasikara; fa raha ny filaharana amin’ny vondrona J aloha, hatramin’izao, dia mitarika i Bénin, manana isa 3, Tanzanie (isan1), RD Congo (isa 1), Madagasikara  (isa 0).

Efa nisy ny fanoman-tena nataon’ny Barea nanomboka teto Madagasikara, anisan’izany ny lalao ara-pirahalahiana nohaonana tamin’ny CFFA (Centre de Formation Football Andoharanofotsy) omaly tetsy Mahamasina, izay ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara  farany teo; efa mipetrapetraka koa ny fandaharam-potoana amin’ny  fanazaran-tena any Tanzanie.

Partagez :
Mahandry