Bar, karaoké : tsy azo idiran’ny zaza tsy ampy taona

  • 23 juin 2023

Amin’izao herinandron’ny fety izo dia nanamafy ny fiarovana ny ankizy amin’ny fisotroana toaka sy ny filibana ny eo anivon’ny polisim-pirenena.

Nisy ny fidinana ifotony tamin’ireo bar, karaoké, trano fandihizana, pub ary nametrahana afisy mandrara ny zaza latsaky ny 18 taona tsy hiditra amin’ireo toerana ireo.

Nampahafantatra ny tompon’ireny toerana  ireny ny Polisy fa tompon’andraikitra  voalohany izy ireo raha toa ka misy zaza tsy ampy taona hita ao anatin’ireny toerana ireny ary mety hitarika hatramin’ny fanakatonan’ny mpitandro filaminana ilay toerana.

Ity lalàna ity dia efa nisy hatramin’izay fa fampatsiahivana sy fanamafisana no natao.

Partagez :
Mahandry