Sport

Baolina kitra afrikanina: mpitsara malagasy dimy no voatendry

 Antananarivo 24 febroary, 10:40, (DDIT): Voatendry ho mpitsara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, dingana famaranana sokajy U17 izay hotontosaina ny 13 ka hatramin’ny 31 martsa any Maraoka i Andriantianarivelo Dimbiniaina izay mpitsara mpanampy. Hosolon’ny tsy fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ity fifaninana ity izany.
Mpitsara Malagasy efatra hafa ihany koa no notendren’ny CAF hitsara ny lalao dingana ampahavalon-dalana amin’ity fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona Afrikanina ity izay hifandonan’ny Namungo Football Club any Tanzania sy ny CD Primerio de Agosto any Angola, ny alakamisy 25 febroary.
Izy efatra ireo dia ahitana an’i Hasinjarasoa Lionel mpitsara afovoany sy Andrianantenaina ary Pierre Jean Eric Andriavoavonjy, mpitsara mpanampy raha i Abdoul Aidee Kanoso kosa no mpitsara eny ambony latabatra. Efa any an-toerana ireto mpitsara Malagasy ireto ary efa miandry ny fidirana eny amin’ny kianjan’ny Stadium Azam Complex- Dar-Es Salaam. Nanamafy ny fitandroana ny filaminana ny avy amin’ny CAF taorian’ny tranga nandritra ny fihaonana teo amin’i Gor Mahia avy any Kenya sy Napsa Stars Fc avy any Zambia izay nahitana savorovoro.
Ny 16 febroary lasa teo ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF) no namoaka ny lisitr’ireo mpitsara sy mpanampy hiatrika ity fifaninanana ity.
Hasina Rakoto

Articles similaires

Laisser un commentaire