Banky Foiben’i Madagasikara : namokatra boky mitantarana ny vola malagasy.

  • 24 novembre 2023

Ho fankalazana ny faha 50 taonan’ ny Banky Foiben’i Madagasikara, dia namokatra ny boky mirakitra ny tantaran’ny vola malagasy sy ny famokarana azy izy, ka “La Monnaie et l’émission monétaire à Madagascar : des origines à nos jours (1973 – 2023)” no nataony lohateniny ary ahitana 106 pejy.

Afaka mijery sy mamaky ny boky ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara ao Anosy sy amin’ireo rantsany eny anivon’ireo tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina ary amin’ireo  CLAC manerana ny Nosy  ireo rehetra liana .

Ny zoma 24 Novambra 2023 no natolotry ny Goverinoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara  ho an’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara ity boky ity, ka ny Filohan’ny filan-kevi-pitantanany, Fetra Rakotondrasoava  no nisolotena tetsy Antaninarenina.

Partagez :
Mahandry