Bakalorea 2023 Antananarivo : 9,50 ny naoty farany ambany, 57.31% ny tahan’ny afaka

  • 19 août 2023

Tontosa androany ny fanapahana ny naoty farany ambany amin’ny fahafahana fanadinana  » délibération ».

Nizotra sy nilamina tsara izany ary natrehan’ny mpampianatra maro hoy ny avy eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo ary nanaraka tsara ihany koa ny voalazan’ny  » article 11  » ao amin’ny  » Décret 2021-242 « .   9,50 araka izany no naoty farany ambany azo raisina ho afaka fanadinana bakalorea taona 2023.

Nahatratra 57,31% ny taham-pahafahana  amin’ny sokajy rehetra ho an’ny Faritanin’Antananarivo. 56,58 ho an‘ny Fampianarana ankapobeny ary 66,91% ho an’ny Fampianarana Teknika.

Hivoaka rahampitso  ny valim-panadinana eny anivon’ny foibem-panadinana manerana ny faritanin’Antananarivo.

Partagez :
Sissie Raveloson