Economie

Asa hatramin’ny 40 000 no mety hiforona eto Madagasikara ao anatin’ny enim-bolana

Asa 30 000 hatramin’ny 40 000 no mety hiforona eto Madagasikara ao anatin’ny enim-bolana noho ny fampidirana orinasa misehatra amin’ny tenona (textile) izay homena sehatra eto Madagasikara, hoy ny talen’ny kabinetra sivilin’ny Fiadidian any Repoblika, Raharinirina Baomiavotse Vahinala.
Misy fepetra tsy maintsy fenon’i Madagasikara anefa vao afaka mametraka izany. Lohalaharana ny fitoniana, izay anaovana antso manokana amin’ny mpisetra rehetra, indrindra ny mpanao politika. Eo koa ny fanavaozana ny famokarana herinaratra sy ny fanitsiana ny tarifa amin’ny vidin’ny herinaratra, toy ny “Optima Business” izay efa nirosoana. Natao hialana amin’ny fibaben’ny vahoaka malagasy ny trosa vokatry ny angovo lanin’ny orinasa lehibe tsy miankina io fanitsiana tarifa io.
Tsy an-drenivohitra ihany no hisitraka ny famoronana asa amin’ny alalan’ny io fampidirana orinasa misehatra amin’ny tenona io. Anisan’ny ho voakasika ny any Toamasina, ny faritra Vakinankaratra, Boeny sy ny maro hafa. Tsy maintsy aparitaka hatrany amin’ny kaominina tsirairay ny famoronana asa sy fananganana indostria eto Madagasikara, hoy Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Anisan’ny antony nahatongavan’ny filohan’ny ben’ny tanàna eto Madagaiskara niara-dia tamin’ny delegasionina malagasy tany Vienne Autriche izany.

Articles similaires

Laisser un commentaire