“Art-thérapie: hanampiana ireo ankizy manana olana amin’ny serasera

  • 9 septembre 2021

Fampirantiana sy fanaovana sary milohahevitra hoe “retard scolaire et art-thérapie” no nataon’ireo ankizy nandray anjara tamin’ny “art-thérapie” natao tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Akôry Haly Mahajanga nandritra ny herinandro. Hetsika iray niarahana tamin’ny sampandrahara “pédiatrique” ao amin’ny CHU PZAGA Androva, natao indrindra mba hanampiana ireo ankizy manana olana amin’ny serasera.

Raha fintinina, ny ‘’art-thérapie’’ dia karazana teknika iray hamoahana ny fihetsem-po na izay tsapa tsy tafavoaka amin’ny alalan’ny teny. Ankoatra izay dia nisy ihany ny fampafantarana ny tontolon’ny dihy, toy ny fiofanana mikasika ny dihy nandritra ny herinandro, niarahana tamin’ny fikambanan’ny mpandihy avy ao Mahajanga. Anisan’izany ny Cie Jos’Dihy, Contra Dances, Hay Dihy sy ny eto Antananarivo

Partagez :
Mahandry