Arivonimamo : olona 7 no matin’ny pesta, 22 marary

  • 2 septembre 2021

Olona fito hatreto no fantatra fa matin’ny aretina pesta tao amin’ny kaominina Miandrandra Arivonimamo, faritra Itsay, ary 22 ireo olona marary, manaraka fitsaboana araka ny fanambaran’ny tale jeneraly misahana ny fiarovana ara-pahasalamana, Dr Randriatsarafara Fidiniaina.

Ny fitiliana natao teo anivon’ny Institut pasteur dia nanamafy fa voan’ny pesta mamely ny tratra ireo olona ireo, araka ny fanamarihana nataon’ity tompon’andraikitra ity hatrany.

Nanomboka ny 23 aogositra no fantatra fa nisy lehilahy iray narary ary nodimandry noho ny aretina nahazo azy. Niezaka nanafina ny aretina ny fianakaviana, kanefa herinandro taty aoriana dia maty ihany koa ny anabaviny. Teo vao voamarina fa tena pesta tokoa no nahazo azy ireo. Nanomboka nisesy rahateo  koa ny fahafatesana.

Manoloana izany dia efa nandray fepetra ny tomponandraikitra, toy ny tsy fahafahan’ny mponina ao amin’ny kaominina 6 anatin’ny distrika Arivovonimamo mivezivezy, ary ny naoty navoakan’ny distrika amin’ny tsy fahafahana manao hetsika famoriam-bahoaka ao anatin’ny herinandro.

Partagez :
Mahandry