Fahasalamana ara-pananahana: vehivavy 10 isan’andro no mamoy ny ainy eto Madagasikara

  • 12 novembre 2021

Natao ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny fandrindram-piterahana neken’ny fanjakana miditra eto amintsika. Ny fandrindram-piterahana maharitra no tena tsara ampiasaina ho an’ny tanora hoy i Dr Vololoniaina Raolison.

28 isan-jaton’ny tanora 15 ka hatramin’ny 19 taona no efa misitraka ny fomba fandrindram-piterahana maoderina, 41 isan-jato kosa ny 20 ka hatramin’ny 29 taona. Tanjona anefa ny hananan’izy ireo ny fizakan-tena sy hialana amin’ny vohoka tsy nirina sy ny vohoka aloha loatra.

Antony nikarakaran’ny minisiteran’ny Tanora ny fifaninanana ady sisika mikasika ny fampisitrahana ny zon’ny tanora hisitraka ny fahaizany mandrindra ny fiainany amin’ny resaka fananahana na “concours de plaidoyer sur la planning familial”. Notanterahina androany tetsy Mahamasina ny lalao famaranana aminity ady sisika ity. 18 no isan’ireo mpandray anjara tamin’ity fifaninanana ity avy amin’ny faritra maro teto Madagasikara. 6 no tafiakatra tamin’ny dingana famaranana.

I Andriamatoa Andianamelasoa Finaritra Manitra no nivoaka mpandresy tamin’izany. Tsapa hoy izy fa mbola maro ireo tanora iharan’ny vohoka aloha loatra sy ny vohoka tsy niriana eto amintsika. Mbola maro ihany koa ireo tanora tsy mahalala ny fisian’ny fandrindram-piterahana. Tsy hijanona hatreo ny fiaraha-miasa amin’ireto tanora ireto, hoy Ramatoa Norohaingo Rakotoseheno, tale jeneraly misahana ny tanora. Ho atao masoivohon’ny tanora amin’ny resaka fahasalamana ara-pananahana izy ireo raha ny nambarany hatrany.

Partagez :
Mahandry