Aretim-pivalanana : laharana faharoa mamono ny zaza  eto Madagasikara

  • 25 juillet 2023

Antony faharoa mahafaty ny zaza ny aretim-pivalanana raha eto Madagasikara. Latsaky ny 5 taona ny 51% amin’izany, raha ny tarehimarika navoakan’ny ”Fonds d’Appui pour l’Assainissement”.

Anisany aretina azo avy amin’ny fiparitahan’ny tay ny aretim-pivalanana sy ny lefakozatra  ary antony hanamafisan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny ady atao amin’ny tay miparitaka eny amin’ny tontolo iainana izany.

Ilofosana ny ady amin’io fomba ratsy zary mbola raiki-tapisaka amin’ny toerana maro manerana ny nosy io. Ankoatra ny fanaovana vaksiny miaro amin’ireo karazana aretina, mba hampihenana io taha io. Antony maro no mahatonga ny tay miparitaka. Voalohany amin’izany ny fangerena ankalamanjana. Mety ho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa sy ny karazana olana ara-ekonomika sy ara-tsosialy. Eo ihany koa ny fomban-drazana izay mbola maro mitazona ka tsy mampiasa lava-piringa ka mangery eny rehetra eny.

Mampiakatra ny tahan’ny fihinanan-tay tsy fidiny izany, ka mitarika fitomboan’ireo karazana trangan’aretina, toy ny polio, ny fivalanana sns.

Hamafisina mandritra ity hetsika fanaovana vaksiny faobe miaro amin’ny lefakozatra ity ny fanentanana  ny vahoaka hampiasa lavapiringa ara-pahasalamana. Natomboka androany 25 jolay izany, ary haharitra 4 andro, manerana ny nosy.

Partagez :
Mahandry