Arendrina : 700 hatramin’ny 7000 ariary ny vidiny

  • 10 juin 2024

Niatomboka ny 1 jona teo ny fivarotana arendrina tararasy raha ny teny Anosibe manokana. 700 ariary no vidiny ambany indrindra amin’ny ankapobeny raha toa ka manodidina ny 7 000 no farany ambony araka ny habehany sy ny kalitaony, raha ny nambaran’i Evelyne mpivarotra arendrina tojo ny mpanao gazety. Mbola vitsy ireo mpanjifa izany ankehitriny noho ny fiakaran’ny vidim-piainana araka ny fanambaran’ny mpivarotra. Tsy ny arendrina vita Malagasy ihany no varotana eto amintsika fa misy  koa ireo kojakoja fampiasa vokaran’ireo firenena hafa avy any ivelany, entina hankalazana ny fetim-pirenena nahazoan’I Madagasikara fahaleovantena.

Na efa noraran’ny mpitandro filaminana aza ny “pétard” na tsipoapoaka, sy lazera maitso tany aloha dia efa tazana eny an-tsena ny fivarotana  izany, ary ny ankizy no tena tia mampiasa ireo. Raha hoarina amin’ny vidin’ny arendrina vita Malagasy dia lafo kokoa ny vidin’izany satria raha ny lazera maitso manokana izao dia 15 000ariary no ambany indrindra raha 100 000 ariary no ambony indrindra. Na izany ary dia betsaka kokoa ny mpanjifa ireo arendrina vahiny ireo noho ireo mpanjifa ny vita Malagasy.

Partagez :
Mahandry