Appollo 21 : “Mbola mandeha ny raharaham-pitsarana”, hoy Herilaza Imbiki

  • 8 septembre 2021

Mbola mandeha ny raharaham-pitsarana mikasika ny Apollo 21, na dia efa vita aza ny famotorana farany sy ireo fanadihadiana isan-karazany, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Herilaza Imbiki.

“Tiako ny manindry fa tsy raharaha politika mihitsy io fa raharaha ady heloka bevava mikasika ny fifofoana ny ain’ny filohan’ny Repoblika sy ny ain’ireo olona ambony eto amin’ny tany sy ny firenena”, hoy izy.

“Tsy tokony hamaivanina izany, tsy tokony horaisitsika anatin’ny resaka politika fa mila mijery ny tena tombontsoan’i Madagasikara, indrindra fa ny filaminana anatiny”, hoy izy nanamafy.

Partagez :
Mahandry