APMF – Tafika malagasy : nanamafy orina ny fiaraha-miasa ny roa tonta.

  • 9 mai 2023
Notontosaina androany teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny APMF sy ny “état-major”n’ny tafika Malagasy. Fiaraha-misalahy hahafahana miaro ny sisin-tany, hisorohana ny loza, ny fandehanan’ny harem-pirenena antsokosoko any ivelany sy ny hiarovana ny ain’ny mpiray tanindrazana, eo koa ny hidiran’ny vola bebe kokoa ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana no tanjona tamin’ity fifanarahana ity.
“Zava-dehibe ny fifanakalozana traikefa, ny fizarana, sy ny nahitana ny fototra izay efa hananan’ny tafika malagasy, hahafahan’izy ireo iarahana miasa miaraka amin’ny APMF. Ankoatra izany dia hanome sy hametraka ny fahaiza-manaony koa ny APMF, ny fitaovana sy traikefa hananany, hanatanterahana ny velirano voalohany sy faharoa ambinifolo” hoy Valéry Ramonjavelo, minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro androany.
Tsiahivina fa nahitana fahombiazana tanteraka ny fiaraha-miasan’ny roa tonta teo aloha, toy ny nandritra ny raharaha fitsoahana Malagasy antsokosoko tany amin’ny nosy Mayotte, ka nahitana azy ireo sy ny vata-mangatsiakan’ireo dobo an-drano.
Partagez :
mialy