APMF : miroso amin’ny fampanarahana ny fenitra ireo aro-loza

  • 1 mars 2024

Manampy ireo tantsambo ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny APMF mba tsy hananosarotra ho azy ireo ny fividianana aro loza izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana ireo mpivarotra fitaovana aro-loza eny ambonin’ny sambo ho matihanina. Ho hita eny amin’ny toerana misy sambo mivezivezy avokoa ny fitaovana rehetra ilaina, toy ny “gilet de sauvetage”, ny fitaovam-pifandraisana sy ny maro hafa izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

Ezaka manokana ho fanatsarana ny sehatry ny aro loza amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy no tanjona hoy ny tale jeneralin’ny APMF, Jean Edmond Randrianantenaina. Ny fifanarahana iraisam-pirenena SOLAS no mametraka ireo karazana fitaovana tsy maintsy hananana ary ny fenitra tokony arahana. Tsy hisy intsony araka izany ny ala olana tsy hananan’ireo tantsambo ny aro loza manaraka ny fenitra. Ho fantatra avokoa ireo karazana fitaovana tsy maintsy ananan’ireo lakana sy sambo izay misehatra amin’ny fitaterana an-dranomasina na an-dranomamy

Nanatanteraka fivoriana fanolorana izany miaraka amin’ireo mpaninjara ny fitaovana ny APMF androany.

Partagez :
Nirinasoa Tafita