APIPA : mbola olana lehibe ny fanarian’ny ny olona fako amin’ireo tatatra fanarian-drano

  • 7 octobre 2021

Anisan’ny asa voalohany iandraiketan’ny APIPA ny fiarovana ny tanànan’Antananarivo amin’ny tondra-drano amin’ny alalan’ny fanaraha-maso akaiky ny fiakarana sy fidinanan’ny renirano, fanaraha-maso ny rotsak’orana, fikojakojana ny tatatra lehibe telo fanarian-drano ( canal Andriantany, canal C3, canal génie rural izay fanondrahana ny tanimbary Betsimitatatra).

Misedra olana anefa ity sampana ity eo ampanatanterahana ny asany nohon’ny fanarian’ny ny olona fako amin’ireo tatatra fanarian-drano ireo, izay miteraka fandaniam-bola sy fotoana hoy ny Tale jeneralin’ny APIPA Rakotonjanahary Ranto nandritry ny fanokafana ny fankalazana ny faha-25 taona nijoroany androany 07 septembra. Hetsika maro no hanamarika ny fankalazana ny faha-25 taona nijoroan’ny APIPA toy ny fitaom-pivavahana izay notontosaina androany, ny varavarana misokatra hoan’ny daholobe ny faha-14 oktobra ho avy izao, fanadiovana faobe iarahana amin’ny ministeran’ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fahadiovana sy ireo mpiara-miombonantoka maro, hetsika ara-kolontsaina ary fanolorana marim-pakasitrahana ireo mpiasa mendrika eo anivon’ny APIPA.

Vina manaraka ny fanamafisana ny fikojakojana ny tatatra sy fefiloha manamorona ny renirano, ny fampitomboana ny toeram-piasana, ny fanovana rafitra. Efa mivonona ihany koa ny APIPA amin’ny fihatrehana ny fotoam-pahavaratra manaraka amin’ny alalan’ny fanentanana ny mponina mipetraka amoron’ny fefiloha. Marihina fa ny taona 1996 no nivoka ny didy fampiharana ny fijoroanan’ny APIPA.

Partagez :
Mahandry