APIPA-MATSF : mitohy ny ady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalana 

  • 5 janvier 2024

Kamiao 10 miaraka amin’ny “pelle mécanique ” no voasambotry ny “police de remblai” eo anivon’ny APIPA sy ny minisitera n’y Fanajariana ny tany ny alin’ny 3 janoary.  Tafiditra anatin’ny ady amin’ny fanaovana fanotofana tany tsy ara-dalana izao hoy n’y tale jeneralin’ny APIPA, Rafidimanantsoa Tojo Andritiana androany 4 janoary.

« Ady Mila hifandrimbonan’ny rehetra ny ady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalana izany indrindra no hanentanana ny tsirarairay hiantso ny polisin’ ny fanotofana tany raha mahita tranga ».

Olana efa tanatin’ny 40 taona izao vahana izao. Tsy nisy ny drafi-panajariana tany tamin’izany. Ny taona 2015 no tena nirongatra ny fanotofana tany tsy ara-dalana ho an’antananarivo. Nahatratra 100 mahery ny tranga  voamarin’ ny APiPA tamin’izany.

Taorian’izay ny Filankevitry ny minisitra irery ihany no afaka manome alalana fanotofana tany nanomboka ny taona  2022.  Mifarimbona amin’izany ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Fitsarana, ny  Atitany, ny Filaminam-bahoaka, ny Tontolo iainana, ny Fitaterana, ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Rano Fidiovana sy ny Fanadiovana, ny Mponina, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

Partagez :
Sissie Raveloson