Apetraka eto Antananarivo ny Birao Monisipalin’ny Asa.

  • 4 octobre 2022

Natao indrindra hanomezana torolalana sy fanampiana ara-kevitra, ho an’ireo tsy an’asa izany. Misy koa karazana fampiofanana mba haha matianina azy ireo, ahafahany mivelatra amin’ny asa fivelomany amin’ny andavanandro. Ny vehivavy sy ny tanora no tena kendrena amin’izany. Tsy misy kosa ny sivana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Ankoatra izay, kendrena koa ny hampitomboana ny fampananana asa eto an-drenivohitra, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fandraharahana. Karazana fiofanana maro no hita ao amin’ity ”Bureau Municipal de l’Emploi” ity, ary natao indrindra hamahana haingana ny olan’ny tanora amin’ny fitadiavana asa.

Nosoniavina androany, 4 oktobra, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Orange Solidarité Madagascar. Androany koa no nosoviavina ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta mikasika ny fametrahana ireo ”Maison digitale” eny anivon’ireo distrika enina (6) eto Antananarivo.

Partagez :
Mahandry