APEi UK-AfOA: tsy ho tataovan-ketra eny amin’ny ladoany ireo vokatra Malagasy

  • 6 octobre 2021

Ho tanterahina tsy ho ela ny fanaovan-tsonian’ny Fifanarahana Ekonomika “APEi UK-AfOA » (Accord de Partenariat Economique intérimaire entre l’UK et les États d’Afrique Orientale et Australe) eo amin’i Madagasikara sy Royaume Uni. Tombony amin’ny fifanarahana APEi ny fisokafan’ny tsenam-barotra malalaka amin’ny eoropa. Noho izany dia tsy ho tataovan-ketra eny amin’ny ladoany ireo vokatra Malagasy.

Izany no nivoitra nandritra ny fihaonan’i Davis Ahsley, masoivohon’i Royaume Uni sy ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Edgar Razafindravahy omaly.

Nodinihana nandritra izany ihany koa ny momba ny Indostria isaky ny distrika -ODOF- sy ny fiovaovan’ny toetrandro.

Tafiditra indrindra ao anatin’izany ihany koa ny fampiroboroboana sy fitantanana maharitra ny sehatry ny jono, miompana amin’ny fanajana ny toekarena sy ny tontolo iainana ary ny sosialin’ny firenena.

”Loharanom-bola vahiny ny fisokafana amin’’ny tsena iraisam-pirenena toy izao, hoy ny minisitra, Razafindravahy Edgard, ary afaka manatsara ny lanjan’ny Ariary sy hampiakatra ny fahefa-mividin’ny vahoaka ny habetsahan’ny fanondranana vitantsika”.

Partagez :
Mahandry