Antso 500 sy fitarainana 28 no voarain’ny CENI

  • 16 novembre 2023

Fanjohiana sy fandraisana andraikitra momba ny tranga mifandraika amin’ny fifidianana : Antso 500 sy fitarainana 28 no voarain’ny CENI

Manara-maso ireo karazana fitarainana na fanairana momba ny olana na tsy fahatomombanana mifandraika amin’ny fifidianana ny CENI foibe. Amin’ny alalan’ny fandraisa antso amin’ny laharana maitso 0343081008 sy ny tranonkala i-reportmadagascar.com no andraisana izany.

Antso manodidina ny 500 no voaray tamin’ity laharana maitso ity hatramin’ny 3 ora mahery teo. Fanontanian’ny olompirenena no betsaka, toy ny momba ny toerana misy biraom-pifidianana, ahoana ny atao raha tsy manana kara-pifidianana na tsy naharay izany, na koa fitorohana tsy fahatomombanana samihafa.

Trangana tsy fahatomombanana 26 kosa no voaray tamin’ny tranonkala « i-report ».  18 amin’ireo no efa nohamarinina tamin’ny alalan’ny antso. 7 andalam-panamarinana, 1 efa nandraisana fepetra.

Trangana herisetra ara-pifidianana niseho tao  amin’ny fokontany Bemahatazana , Miandrivazo, Menabe io iray nandraisana fepetra io. Nisy andian-dahalo nandroaka omby sy mirongo fitaovam-piadiana nandalo tamin’ity biraom-pifidianana ity. Voatery nakatona vonjimaika io biraom-pifidianana io noho ny tahotra teo amin’ny tomponandraikitra sy ny mpifidy nilahatra teo. Nandray fepetra, niantso avy hatrany ny CENI, ary nandray ny andraikiny ny zandary.  Niverina amin’ny laoniny ny fandatsaham-bato taorian’izay.

Misy koa ny tranga iray voamarina, dia ny fahataran’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato tao Ambohimiandra, izay hita fa marina. Ireo tranga roa ireo no voamarina fa nisy, hoy ny talen’ny Serasera sy ny fanabeazana olom-pirenena ao amin’ny CENI, Ratsimandresy Tinah. Ny ankoatra izay dia tsy mitombina avokoa , araka ny fanamarinana natao. Mitohy araka izany ny fanamarinana ny fitarainana hafa.

Partagez :
Romuald