Antsiranana : filaharam-be ny fanaovana vakisiny miaro amin’ny Coronavirus

  • 9 novembre 2021

Fatrana vaksiny Janssen 6 500 no natolotry ny amerikanina ho an’ny vahoakan’Antsiranana.

Nitanjozotra nilahatra nitsindrona an’ity vaksiny ity ny mponin’Antsiranana, nanomboka omaly, tao amin’ny hotel de la Poste. Olona manodidina ny 1000 no nokendrena ho vita vaksiny tamin’ny andro fanombohana ary mitohy isanandro ny fanaovam-baksiny ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana.

Efa mahatratra 9 655 ny olona vita vaksiny AstraZeneca, ary 19 146 ny vita vaksiny Janssen ao amin’ny faritra DIANA manontolo, hatramin’ny omaly 09 novambra 2021.

Efa mandeha koa ny fanaovam-baksiny Sinopharm, izay nahazoana 500 fatra ho an’Antsiranana manokana.

Partagez :
Mahandry