Antsirabe – Malaimbandy : manomboka ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 34

  • 24 janvier 2023
Tonga any an-toerana amin’izao fotoana izao ary manomboka mametraka ny toeram-piasany ny oriasa hanamboatra ny lalam-pirenena laharana faha 34 mampitohy an’Antsirabe sy Malaimbandy. « Efa manomboka ireo fanamboarana maika dia maika toy ny fanamboarana ireo fahasimbana eo amin’ny PK 27+900, PK 180, PK 272+100, PK 289 ny orinasa ankehitriny », hoy ny minisiteran’ny Asa vaventy. Efa tonga eny amin’ny toerana hiasana ireo fitaovana sy milina ampiasaina.
Nidina tany an-toerana, nijery ny fizotran’ny asa ny minisitra Hatrefindrazana Jerry sy ny mpiara-miasa aminy avy ao amin’ny minisitera. Io asa io dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa PDDR “Projet de Développement Durable des Routes” sy CERC (Contingency Emergency Response Component).
Lalana mirefy 331 km no asiam-panamboarana, izay vatsin’ny Banky iraisam-pirenena vola ary hovitaina anatin’ny 8 volana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana ireo teboka simba amin’ny lalana mirefy 150km voalohany, ny fanarenana ireo fotodrafitrasa (ouvrages), tetezana sy fanoloana ireo “buses” rehetra simba na nisy nisompatra ho “dalot béton armé”, ny fanamboarana ireo fihotsahan’ny arabe (brèches) sy “points noirs” rehetra mety hiteraka fahatapahan-dalana.
Eo koa ny fitazonana ny fifamoivoizana amin’ny (RN 34) amin’ny alalan’ny “cantonnage” ary ny fanamboarana ny lalana manomboka eo Dabolava – Miandrivazo (50km), sy ny fanavaozana ny tara amin’ny ampahany Miandrivazo – Malaimbandy izay mirefy 111Km.
Misy ny toromarika nomen’ny Minisitra ny amin’ny fomba fanantanterahana ny asa dia ny fanajan’ny orinasa ny fenitra sy ny kalitao izay nifanarahana.
Partagez :
Mahandry