Antsa an-tononkalo : hatsikana, nisongadina ny talentan’ireo zandry vao misandratra

  • 22 novembre 2023

Teatra, hatsikana,  tononkalo poetika, dihy mirindra sy hira no nandravaka ny tolakandron’ity alarobia ity, tao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Nisongadina, ary nampiavaka ny  antsa an-tononkalo tamin’ity androany ity ny fandraisan’ireo tanora vao erotrerony mana-talenta amin’ny fanaovana hatsikana.

”Fiainana klonina”, io no lohateny nampitondraina ny seho androany, nolalaovin’i ‘Lay klonina, Diantana, Marina Fanahy, Sisa sy Radavy niaraka tamin’ny tarika Dihy sy ny ekipan’ny Kanto Tafaray.

Ankoatra ny fanasandratana ny Literatiora malagasy, nasongadina androany ny fahaizana sy ny talentan’ireo zandry vao misondrotra eo amin’ity sehatra fampiomehezana ity.  Kilalaon-teny, fifehezana ireo karazana lantom-peo sy karazana fihetsika mampiomehy no niavahan’ity seho ity.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanomezana sehatra ny tanora sy hanasongadinana ny poezia ny hetsika toy izao. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, fanao isaky ny Alarobia tolakandro izany.

Partagez :
Mahandry