Antenimiera : nisokatra androany ny fivoriana ara-potoana faharoa

  • 17 octobre 2023

Manomboka ny lanonam-panokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena amin’izao talata 17 oktobra 2023 amin’ny 11ora sy 40mn.

Ny filohan’ny Antenierampirenena Razanamahasoa Christine no mitarika ny fotoana, atrehin’ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta ifarimbonana, Ntsay Christian, ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard sy ny filohan’ny CENI, Dama Andrianarisedo Arsène ary mpikambana amin’ny Governemanta sy ny solon-tenan’ny CNIDH, CFM.

Manatrika izany koa ny avy amin’ny rafitra diplaomatika sy fikambanana iraisam-pirenena ary mpiara-miombona antoka tekinika sy ara-bola misy eto amin’ny firenena.

Partagez :
Romuald