Ankorondrano Andrefana : nahazo fanampiana ireo fianakaviana sahirana

  • 30 janvier 2024

Notoloran’ny fikambanana Fimmar  fitaovana ilain’izy ireo amin’ny asany ireo mpanasa lamba ao amin’ny fokontany Ankorondrano Andrefana Boriborintany fahatelo. Noentanina koa izy ireo mba hiditra anatin’ny sehatra ara-dalàna mba hahafahan’izy ireo mampiroborobo ny asa fivelomany.

Natao izao mba hahafahan’ny tsirairay mivoatra eo amin’ny seha-pihariany araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana Ndremitsara Tarzan. Tsy misy asa ratsy hoy izy fa izay asa hajaina tsara dia mahavelona avokoa. Ankoatra izay dia nisy koa ny fizarana solon-tsakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana notanterahana niaraka tamin’ny sefom-pokontany teny an-toerana sy ireo olon-tsotra tsara sitrapo ary ireo ex-rezervista ny fikambanana.

Hitohy isan-kerinandro ny asa sosialy fanampiana vahoaka ataon’ny Fimmar eny amin’ny boriborintany fahatelo misy azy. Efa nidina ifotony teny amin’ny fokontany Ampandrana besarety sy Ampandrana andrefana izy ireo ary mbola ho eny Avaradoha sy hitety ny fokontany rehetra ao amin’ny boriborintany fahatelo.

Partagez :
Natacha Hasimbola