Anjerimanontolo: eo anelanelan’ny 11 desambra hatramin’ny 15 janoary ny fanombohan’ny taom-pianarana 2023-2024

  • 1 décembre 2023
Ny 11 desambra 2023 hatramin’ny 15 janoary 2024 no fotoana hanombohan’ny taom-pianarana 2023-2024 amin’ny Oniversité sy IST tsirairay manerana ny Nosy araka ny tapaka nandritra ny fivoariana faratampony mandinika sy manapaka ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara na “Conferences des Presidents des Universités ” izay natao ny 30 novambra 2023.
Ferana hatramin’ny 25 janoary 2024 ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra hiditra taona voalohany hatramin’ny taona fahadimy. Mahakasika ny Ecole doctorale kosa dia ny 15 janoary 2024 hatramin’ny 15 febroary 2024 ny fidirana.
Ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice sy ny filohan’ny Oniversité enina , ary ny tale jeneralin’ny IST sy telen’ny Ecole doctorales manerana ny Nosy no niatrika ny fivoriana.
Partagez :
Mahandry