Andron’ny varika : “Ny varika, tsy fiompy tsy fihinana fa Andrin’ny ala”

  • 28 octobre 2021

Karazana varika miisa 5 amin’ireo 113 misy eto Madagasikara no hita eto amin’ny Faritra Betsiboka. Ahiana ho lany tamingana anefa izany afaka taona vitsivitsy nohon’ny fahasimban’ny ala aty amin’ny faritra  avaratra andrefan’ny Nosy. Izany no antony nisafidianana ny Faritra hankalazana ny andron’ny varika androany tao amin’ny kianjan’ny La Place Maevatanana.

Natao ity fanamarihana manokana ity mba hanairana ny rehetra handray ny fepetra manandrify azy hifanohana amin’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy sy ny Vondron’Olona Ifotony ho fiarovana ny Varika izay manana anjara asa manokana ho fanarenana ny ala araka ny fikarohana ara-tsiantifika.

Omaly Alarobia dia efa nisy ny fanentanana ara-tontolo iainana natao tamin’ireo mpianatra miisa 1 075 avy tamin’ny sekoly 6 teto Maevatanana ary natomboka tamin’ny diabe mamakivaky ny tanana ny hetsika  androany.

Domoina

Partagez :
Mahandry