Andranomanelatra-Antsirabe II : nahazo fitaovana fanodinana paoma ho lasa « cidre ».

  • 12 décembre 2023

Paoma 500kg isan’ora no ho voavadika « cidre » 1000 litatra ao amin’ny kaominina Andranomanelatra Antsirabe. Amin’ny alalan’ny tetikasa ODOF “One District One Factory” na distrika iray orinasa iray no anaovana izay. Mamokatra paoma mahery ny 35.000 taonina isan-taona ireo tantsaha any an-toerana.

Ny 11 desambra, no nanoloran’ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra Vyvato Rakotovao ireo fitaovana entina manao ny fanodinana. Tamin’ity fotoana ity koa no natolotra ny koperativa Mitsinjosoa, TAFA, FIFAA ary TMF ny taratasy fanamarinam-piraiketana mariky ny fijoroan’izy ireo amin’ny ara-dalàna.

Tombostoa maro no azon’ireo mpisitraka.  Ankoatra ny fampiroboboroana ny indostria dia tafiditra koa ny fampananan’asa. Hitondra fihatsarana amin’ny velontenan’ny mpamokatra ny tosika ataon’ny fitondram-panjakana tahaka izao hoy ny Governora. Enina amin’ireo distrika foto mandrafira ny faritra Vakinankaratra no efa nisitraka ny tetikasa.

Partagez :
Hasina Rakotoarilina