Analamanga sy Atsimo Andrefana : fanomezana tohana ho an’ny tantsaha.

  • 28 novembre 2023

Ho fiatrehana ny taom-pambolena 2023-2024 dia miara-miombon’antoka amin’ ireo mpamokatra hatrany ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE)  amin’ny alalan’ny fanomezana tohana amin’ny lafin’ny hanampamokarana tsara kalitao izay omen’ny Ministera azy ireo amin’ny vidiny mirary.

Nitohy ny fizarana hanam-pamokarana ho an’ny faritra Analamanga ; voakasik’izany ny tao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, Avaradrano ary Manjakandriana. Miisa 1 056 ireo tantsaha tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahabo, Anjanadoria, Ampanotokana, Antanetibe Mahazaza, Fieferana, Sabotsy Namehana ary Mahitsy no nisitraka masomboly (vary an-drano, vary an-tanety ary soja) milanja 12 405 kg, zezika NPK 15 734 kg ary zezika biolojika milanja 82 000kg.

Nisitraka ny tohana koa ireo kaominina miisa 4 tao amin’ny Distrikan’ny Beroroha , faritra Atsimo Andrefana ny faran’ny herinandro lasa teo ka mpamboly miisa 86 no notolorana masomboly milanja 1 032kg, zezika NPK 1 720kg ary zezika biolojika 8 600kg ho an’ny seha-pihariana vary an-drano (Riz Irrigué)  .

Tsiahivina fa ny Tetikasa PURPA no entin’ny  MINAE manatanteraka izao tohana izao raha toa ka ny Banky Afrikanin’ ny Fampandrosoana (BAD) no mamatsy vola, izay niara-niasa akaiky tamin’ny Fonds de Développement Agricole (FDA).

Partagez :
Mahandry