Ambositra : « tokony tsy hisy distrika adino »

  • 29 janvier 2024

« Miandrandra asa fampandrosoana ny vahoaka ao anatin’ny Distrikan’Ambositra », hoy Andriamihaja Fanomezantsoa Georges na Liva Rason ny sabotsy teo. Nandritry ny hetsika ara-kolotsaina ” Savika” fisaorana nataon’ireo zanaky ny Distrika noho ny fahalanian’ny Filoha no nanambarany izany. Tao amin’ny kianjan’ny Savika Somacodis – Ambositra no nanaovana ilay hetsika. Liva Rason dia nitondra ny anjara biriky, nanentana ny vahoaka teny anivon’ny Kaomina, nampandany ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana farany teo. Kaomina 23 miaraka amin’ny Ben’ny tanànany, amin’ny Kaomina 25 anaty ny Distrik’Ambositra no nifidy ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny salan’isa 75%. « Mariky ny fahavonona sy  fifanampiana ary tolo-tanana avy aminay vahoaka ho an’ny Filoha izany. Manantena fampandrosoana izahay ary mangataka  mba tsy hisy kaomina adino”, hoy hatrany izy.

Ny  savika dia Kolotsaina avy ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ka tajon’ny mpikarakara ny fampahafantarana sy famelona maso ho an’ireo taranaka aty aoriana ny fomba fanao any an-toerana. “Sambany tao anatin’ny tantaran’ny Faritra Amoron’i Mania no nisy ben’ny tanàna nitambatra ka nanome fijery tokana nampandany Filoham-pirenena. Midika izany fa safidy tokana no nataon’ireo zanaky ny faritra. Fandresena goavana no azo ary izany no mitarika ho an’ny amin’ny fampandrosoana tena izy”, hoy Liva Rason.

Nivoitra, nandritry ity hetsika ity, fa apetraka ny firaisankina ho an’ny zanaky ny Faritra ary atao laharam-pahamehana ny fijerena akaiky ny ezaka tsy maintsy ataon’ireo  mpitondra fanjakana  mba tena hipaka aminy vahoaka eny ifotony . Raha Tsiahivina,  zanaky ny faritra miiisa telo no nametrahan’ny Filoha fitokisana ary  tafiditra ao anatin’ny Governemanta mijoro ankehitriny.

Partagez :
Sissie Raveloson