Ambositra sy Ambatofinandrahana : Jiolahy valo ikoizana saron’ny zandary

  • 5 novembre 2021

Jiolahy 3 efa anaty tambajotra mpamaky trano ao Ambositra sy Ambatofinandrahana no tra-tehaky ny zandary. Trano sy tranombarotra miisa 5 no efa lasibatr’izy ireo raha ny fanadihadiana natao. Misy ireo ampahana entana efa tratra ka samy nahitana sombin’entan’ireo trano sy tranombarotra voaroba avokoa.

Jiolahy miisa dimy avy ao Antsahakely Kaominina Soavina distrikan’Ambatofinandrahana no nahitana basy miisa efatra. Izy ireo izay hatolotra ny Fampanoavana avy hatrany. Mbola mitohy ny fikarohana ny naman’izy ireo sy ny entana mbola tsy hita.

Nahitam-bokatra azo tsapain-tanana ny asan’ireo Zandary tao anatin’ny roa volana mahery hoy ny Lieutenant Colonel Rarivomanana Andriamahery, Lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Amoron’I Mania. Basy tsy ara-dalàna miisa 26 no tratra ary omby miisa 24 no tsy mazava taratasy. Manentana hatrany ny Zandary ny mba hanomezana vaovao marim-pototra azy ireo hamongorana ny mpanao ratsy. Hotazonina ho tsiambaratelo ny vaovao izay azo.

Onja VONIMIARANA, Jean Aimé NOMENJANAHARY (TVM Ambositra)

Partagez :
Mahandry