Sport

Amboara eran-tany : ny « Pay TV » ihany no mandefa ny lalao miisa 64

Fepetra napetraky ny Federasionina iraisam-pirenena misahana ny baolina kitra (FIFA) ny hoe ny fahitalavitra andoavam-bola na « Pay TV » ihany no afaka mividy ny zo ahafahana mandefa ny lalao 64 ao anatin’ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra, izay atao any Qatar manomboka rahampitso. isan’ireny ny Bein Sports, ny Supersport International.

Ny Televiziona « free to air » na ireo tsy andoavam-bola dia lalao 28 ihany no azon’izy ireo alefa, araka ny tolotra namidin’ny FIFA ho azy ireo. Manodidina ny 200 eo, maneran-tany ireo fahitalavitra nividy, ka afaka mampisitraka ny mpijery azy izany lalao izany. Amin’ny ankapobeny dia fahitalavitra iray isaky ny firenena ireo. Isan’ireny ny Televiziona Malagasy (TVM) ho an’i Madagasikara, TF1 ho an’ny France, RTVE ho an’ny Espagne, MBC ho an’i Maurice, RTB ho an’ny Burkina Faso, ORTM ho an’ny Mali, Kigaliu Channel2 ho an’ny Rwanda, sns.

Araka ny fantatra dia tsy nivarotra tolotra hafa ho an’ny televiziona tsy andoavam-bola ny FIFA tamin’ity lalao ity. Izany hoe ireo televiziona manodidina ny 200 ireo dia handefa lalao 28 avokoa, tsy misy mahazo mihoatra na ny iray aza.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer