
Mba ho fanatsarana ny fiveloman’ireo mponina eny ifotony ao amin’ny Distrikan’Ambilobe dia nomena fampiofanana mikasika ny fambolena, ny fiotazana ary ny fikarakarana ny mahabibo ireo mpamokatra miisa 1 440.
Maherin’ny 10 000 ha ny velaran-tany voavoly mahabibo anatin’ny kaominina miisa 10 ao anatin’ity distrika ity. Fianakaviana maherin’ny 2 000 kosa no efa mivelona amin’ny fambolena mahabibo ao Ambilobe ary efa manana lalam-barotra handefasana ny vokatra. Fikambanana miisa 200 ihany koa no nisitraka fampiofanana amin’ny fiompiana sy famokarana tately avy amin’ny mahabibo mba hamokatra tranon-tantely hatramin’ny 3 000 isa.
Omena asa mampidi-bola sy maharitra izy ireo mba hialana amin’ny fitrandrahana ala tsy ara-dalana, fandaharan’asa iarahan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny GIZ ary ny HELVETAS manatanteraka. Nihaona tamin’ireo mpikambana ao amin’ny ny koperativa Kinga izay misehatra amin’ny famokarana mahabibo sy tately ao amin’ny Fokontany Antsoha ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Vina Marie-Orléa ary nidera ny ezaka izay ataon’izy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.