RN5A – Ambilobe–Vohémar : “bye bye gödra, tonga ny fandrosoana”

  • 9 septembre 2022

Faritra roa samy manan-karena no ampifandraisina sy itondrana fampandrosoana amin’ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha 5 A, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoielina, dia i Sava sy Diana, izay manan-karena vokatra, toy ny lavanilina, kafe, jirofo…“Andro anoratana tantara vaovao ity zoma 9 septambra itokanana ity RN5 A, mirefy 152 km ity”, hoy ny Filoha.

“Nampiteny ny moana an-taonany maro ity lalana ity; lalan-tany, lanlana ‘gödra” nampijaly ny vahoaka. Ankehitriny, tonga isika hitokana ny lalana. Bye bye gödra satria vita ny lalana”, hoy ny kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina nanoloana ny vahoaka tao Vohémar.

Tonga soa kosa, hoy izy, ny fampandrosoana, hiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra, ny fizahan-tany sy ny maro hafa. Manodidina ny 100 000 ariary  ny saran-dalana Ambilobe – Vohémar teo aloha, ary mandritra roa na telo andro no anaovana ny lalana. Vita adiny roa sy sasany izany ankehitriny; ary mihena any amin’ny 20 000 ariary ny saran-dalana. Lalana tsara, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena no namboarina.

Lalan-tany hatramin’ny fanjanahantany ity RN5 A ity. Vita tara manontolo ny lalana 152 km. 6,5 m ny sakany, natao amin’ny “béton” ny sisin-dalana, ary manaraka ny fenitra takina amin’ny fotodrafitrasa lehibe tahaka itony, hoy ny minisitry ny Asa Vaventy, Hatrefindrazana Jerry. Fijaliana no niainan’ny mponina tao anatin’izany, indrindra rehefa fahavaratra. Zary nofy sisa izany fijaliana izany noho ny fahavitan’ ity lalana ity, hoy ny minisitry ny Asa Vaventy.

Ny 08 desambra 2019, no nametraka ny vato fototra amin’ny fanamboarana ity lalana ity ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Izy koa no nanao ny fifanaraham-piarahamiasa tamin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina, izay namatsy vola 157 tapitrisa dolara nanatanterahana ny tetikasa. Vonona hatrany ny ny firenena sinoa hanohana ny asa fampandrosoana tarihin’ny Fitondram-panjakana, hoy ny masoivohon’ny Repoblika nentim-bahoakan’i Sina.

Aorian’izao fitokanana izao dia hisy fifanarahana hatao sonia miaraka amin’ny orinasa CRBC nanamboatra ny lalana, ho fikojakojana hampaharitra izao fotodrafitrasa izao, hoy ny minisitry ny Asa vaventy. Nohamafisiny ny fanentanana ny mponina mba hikojakoja ny lalana. Maharitra 25 taona farafahakeliny ny lalana, hoy ny filoham-pirenena.

Partagez :
Mahandry