Ambavahaditokana : olona marefo miisa 23 250 hisitraka ny tetikasa PISCCA

  • 7 décembre 2023

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 7 desambra 2023  tao amin’ny kaominina Ambavahaditokana ny tetikasa Vehivavy vOnona miAtrika Ny fIovaovan’ny tOetrandro (VOANIO).

Fifaninanana avy amin’ny tetikasa PISCCA 2023 izay mifototra amin’ny fiatrehan’ny vehivavy ny fiovaovan’ny toetrandro ny tetikasa VOANIO, ary tohanan’ny masoivoho frantsay. Olona marefo miisa 23250 avy  amin’ny fokontany 6 mandrafitra ny kaominina no hisitraka ity tetikasa ity izay haharitra 12 volana.

Anisan’ireo 26 voafantina tamin’ireo fikambanana 95 nametraka antontan-taratasy fifaninanana ny tetikasa VOANIO.

Partagez :
mialy