Economie

Ambatovy : haharitra 20 taona ny fampiasam-bolan’ny Japoney

Mbola haharitra 20 taona ny fijanonan’i Japon ao Ambatovy. Izany no fantatra nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny masoivohan’i Japon, monina sy miasa eto Madagasikara, Abe Koji, tao amin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Olivier Herindrainy.

Ny resaka fanatsarana ny fiaraha-miasa mahakasika an’ Ambatovy no anisan’ny votoatin’ny fihaonana. Ambatovy no famatsiam-bola goavana indrindra ataon’i Japon eto Madagasikara. Manodidina ny 8 miliara dolara ny petra-bola ao Ambatovy ka ny firenena Japoney amin’ny alalan’ny Sumitomo Corporation no manana ny petrabola ambony indrindra ao.

Noresahana koa ny fanomezana fiofanana ireo teknisianina Malagasy amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Tanjona amin’izany ny hampitombona ny fahaiza-manaon’ny teknisianina indrindra ny hifanarahan’izany amin’ny teknolojia. Ohatra amin’izany ny resaka  » télédétection ». Ity farany izay hita koa any Botswana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer