Ambatondrazaka : telo andro ho an’ny hetsika fanomezana Sora-pahaterahana sy Kara-panondrom-pirenena

  • 11 octobre 2022

Hatao any Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro ny hetsika fanomezana Sora-pahaterahana sy Kara-panondrom-pirenena ho an’ny olom-pirenena 18 taona no mihoatra ao anatin’ny telo andro.

Ao amin’ny tranom-pokonolona Atsimondrova Ambatondazaka no hanatanterahana izany. Marihina fa maimaim-poana avokoa ny asa rehetra.

Aucune description disponible.

« Tokony hiomana mialoha amin’ny kopia,  izay atao eny amin’ny Kaominina, ireo hanao kara-panondro-pirenena. Hoy ny Préfet an’Ambatondrazaka Atoa RAKOTOMAHANDRY Thimoté nandritra ny fanentanana ny olona hanao kopia sy karapanondro.

Toy izao ny fandaminana sy ny fanadaharam-potoana :

Talata 11 oktobra 2022 sy Alarobia 12 oktobra 2022 : Kaominina Sub Urbaine Ambatondrazaka.

Alakamisy 13 oktobra 2022 : Kaominina Urbaine Ambatondrazaka.

Zoma 14 oktobra 2022 : Kaominina Ampitatsimo

 

Sary : Hanta Andriantsoa

Partagez :
Mahandry