Ambatomirahavavy : « Bataillon Médical » Ampahibe, mizaha marary maimaimpoana

  • 19 juin 2023

Marary 460 isa avy ao amin’ny Vontovorona Kaominina Ambatomirahavavy no nisitraka fitsaboana maimaompoana avy amin’ny “Bataillon Médical” Ampahibe ny 18 jona 2023. Nomena fanafody maimpaim-poana koa ireo marary nandritra izany. Natao izao hetsika izao ho tohin’ny hetsika “action civilo-militaire” araky ny toromarika nomen’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena.

Ny 35 amin’izy ireo no nanaovana fizahana manokana amin’ny olan’ny fo, ka 20 tamin’izy ireo no nanaovana « échocardiographie-Doppler ». Marary miisa 46 kosa no nahazo tombony tamin’ny fizahana mikasika ny « oto-rhino-laryngologiste (ORL) », ka 19 tamin’izy ireo no nanaovana fanadiovan-tsofina.

Marary miisa 26 ihany koa no nanaovana fizaham-pahasalamana mikasika ny taovam-pisefona, ka ny 8 tamin’izy ireo dia nanaovana fikarohana manokana.

Ankoatra izany dia maro ireo olona nanana olana ao amin’ny ati-vava, ka nahatratra 93 arak’izany ireo nalana nify. Zaza miisa 5 no natao famorana. Olona miisa 15 voan’ny « hypertension » mahery vaika, ary 4 no voan’ny « asthme » ary nanaovana fanaraha-maso.

 

Partagez :
Mahandry